Salamo faha-101

Ny Salamo faha-101 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Atao hoe nosoratan' i Davida ity salamo ity. Ny Salamo faha-100 no eo alohany ary ny faha-102 no manaraka azy. Maneho ny fahavononan' ny mpanjaka hitondra araka ny sitrapon' Andriamanitra izy. Novakian' ny mpanjaka vao nosatroham-boninahitra angamba izy io mba hampisehoana ny andraikiny eo anatrehan' Andriamanitra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne