Siansan' ny maha-olona sy ny fiarahamonina

Ny siansan' ny maha-olona sy ny fiarahamonina dia vondron-taranja mandalina ny lafiny samihafa amin' ny zava-misy iainan' ny olombelona eo amin' ny sehatry ny olona tsirairay sy ny sehatra iombonana.

Ao anatin' ny rafi-panabeazana any Frantsa, io anarana io dia manondro ny taranja misy amin' izao fotoana izao izay atao hoe siansan' ny fiarahamonina na ny haisoratra. Ireo sehatra roa ireo dia matetika mifanapaka ary matetika ahitana taranja mitovy, noho izany dia avondrona ao anatin' ny teny hoe "siansan' ny maha-olona sy ny fiarahamonina" izy ireo indraindray.

Ireto ny taranja izay heverina fa avondrona ao anatin' izany: ny filôzôfia, ny sôsiôlôjia, ny etnôlôjia, ny antrôpôlôjia, ny haisoratra, ny haiteny, ny tantara, ny jeôgrafia, ny psikôlôjia, ny mozikôlôjia, ny toekarena, ny siansan' ny fiarahamonina.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne