Sihanaka

Mponina sihanaka tany amin' ny faramparan' ny taompolo 1800.

Ny Sihanaka dia isan' ny vondrom-poko lehibe mandrafitra ny vahoaka malagasy, monina manodidina ny farihin' Alaotra, voafaritry ny renirano Bemarivo ambony sy Tampoketsa Atsimo ao avaratra, ny renirano Mahajamba ambony ao andrefana, ary ireo havoana misy ny Bezanozano sy ny ala ao atsinanana. Ny tanàna lehibe any dia Ambatondrazaka.

"Olon' ny heniheny" no dikan' ny anaran' izy ireo, noho ny fisian' ireo heniheny manodidina ny farihin' Alaotra izay onenany. Raha vary no vokatra lehibe indrindra teo amin' io faritra io, tamin’ny taonjato faha-17, dia lasa mpivarotra andevo sy entam-barotra hafa ny Sihanaka ka nanan-karena ihany koa, ary nanararaotra ny toerana nisy azy teo amin' ny lalam-barotra lehibe mampitohy ny renivohitry ny Fanjakan' Imerina mifanila aminy, Antananarivo, sy ny seranan-tsambon' i Toamasina any atsinanana. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-19 dia teo ambany fahefan' ny Fanjakan' i Boina izy ireo talohan' ny nanekeny an' Imerina, izay nanjaka tamin' ny ankamaroan' ny faritra eto Madagasikara. Amin' izao fotoana izao, ny Sihanaka dia manao fambolena mafimafy kokoa ary bebe kokoa ny voka-bary any amin' io faritra io raha oharina amin' ny any an-toeran-kafa, ka miteraka fahasahiranana amin' ireo karazan-javamaniry sy biby tsy manam-paharoa izay miankina amin' ny tontolo iainana ao amin' ny farihy Alaotra.

Ny Sihanaka dia manana rafitra ara-tsôsialy mampitovy zo amin' ny ankapobeny, ka ny lahimatoa no loham-pianakaviana. Ny finoana nentim-paharazana no mibahan-toerana, na dia nisy fiantraikany aza ny kristianisma. Ny fiainam-piarahamonina eto, toy ny any amin' ny faritra hafa eto Madagasikara, dia tarihin' ny foto-kevitry ny fanajana ny razana sy ny fady napetrak' izy ireo. Ny fanao ara-piarahamonina nentim-paharazana dia ahitana fombafomba fandevenana sy fisaraham-panambadiana saro-pady ary fandrarana mafy ny fiasana tanimbary amin' ny andro Talata.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne