Singaporo

Republic of Singapore ((en))
新加坡共和国 zh
Ciŋkappūr Kudiyarasu ta
Republik Singapura ms
சிங்கப்பூர் குடியரசு ta
Repoblikan’i Singaporo ((mg))
Sainan'i Singaporo
(Antsipirihany)
Teny filamatra : Majulah Singapura
(Malay
Teny ofisialy Anglisy, Mandarina,
malay ary tamil
Renivohitra Singaporo
1°17′N 103°51′E / 1.283°N 103.850°E / 1.283; 103.850
tanàna ngeza indrindra Singaporo
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
- Praiminisitra
Repoblika
Tharman Shanmugaratnam
Lee Hsien Loong
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 176
699 km²
1.4%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 115
4 608 167 mpo.
6751 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Singapaorianina
Sandam-bola Dolaran'i Singaporo (SGD)
Faritr'ora UTC +8
Hiram-pirenena Majulah Singapura
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+65

I Singaporo, na Repoblikan' i Singaporo dia firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana, 137 km any avaratry ny Fehibe. Ny velaran-taniny dia 699 km². Ny tanin' i Singaporo dia nosy miisa 64, ny reninosy dia ny nosy Singaporo (548,8 km²), nosy ngeza indrindra ary misy ny renivohi-pirenena. Tanàna-Firenena any amin' ny farany atsimon' ny Saikanosy Maley, izy dia voasaraky ny Lakandranon' i Johor. Ao amin’ ny tendrony atsimo-atsinanan’ ny Saikanosin' i Malacca no misy an’ i Singaporo. . Tsy dia avo ny vohon-tany any amin’ ny ankapobeny.

I Singaporo dia fantatra manerana ny tany ary matetika atao ohatra amin' ny fivoarana ara-toekareny. Taorian' ny fahaleovantena tamin' ny 1965, ny tanànan' i Singaporo, kely harena an-kibon' ny tany ampian' ny olana ara-tsôsialy sy ara-toekarena rehetra, dia lasa anisan' ny firenena matanjaka indrindra eto an-tany. Ilay tanàna, mizaka tena, dia tanàna sinoa eo anivon' ny Tontolo Maley: Sinoa avy any Sina ny ankabeazan' ny mponina ao, io no nampahaleotena azy tamin' ny 9 Aogositra 1965. Firenena be tanàn-dehibe mandroso i Singaporo, ary betsaka ireo trano mijoalajoala manaka-danitra.

Anisan’ ireo firenena manan-karena indrindra any Azia Atsimo-Atsinanana i Singaporo. Ny fahombiazana ara-toekaren’ ny tananan’ i Singaporo, amin’ ny ankapobeny, dia avy amin’ ny toerana ara-jeôgrafia misy azy, izay fihaonan’ ny Ranomasimbe Indiana sy ny Ranomasin' i Sina Atsimo. Izany no nahafahan’ i Singaporo nandroso amin’ ny maha toeram-pandalovan’ ny raharaham-barotra isan’ ireo lehibe indrindra azy. Isan’ ireo lehibe indrindra maneran-tany ny seranan-tsambon’ i Singaporo. Toerana anaovana fandraharahana ara-bola sy iroboroboan’ ny taozava-baventy ny tanànan’ i Singaporo.

Maro ny vahoaka mitambatra ho mponina any Singaporo, ka isan’ izany ny Sinoa, izay mahatratra 80 %, ny Maley ary ny Indiana. Ny ankamaroan’ ny mponina dia manaraka ny fivavahana bodista (indrindra ny Sinoa), ny silamo (fivavahan’ ny Maley), ny kristianisma (fivavahan’ ny Sinoa sy ny Indiana sasany) ary ny hindoisma (fivavahan’ ny Indiana sasany).

Zanatany britanika taloha i Singaporo nanomboka tamin’ ny taona 1819. Nahazo ny fahaleovan-tenany izy tamin’ ny taona 1965. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth ity firenena ity ankehitriny.

Sekoly Iraisampirenena Kanadiana any Singapore

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne