Tany Masina no iantsoan' ny Kristiana an' i Palestina, izay faritra nahaterahan' i Jesoa Kristy sy nonenany, ka i Jerosalema, izay toerana nahafatesany sy nitsanganany ho velona, araka ny finoan' ny Kristiana, no omena lanjany manokana amin' izany.
Ny narana hoe אֶרֶץ הַקוֹדֵשׁ / Eretz HaKodesh ("Tany Masina") dia tsy ampiasain'ny Jiosy hilazany an' i Palestina, fa ny hoe "Tanin' i Israely" no safidin' izy ireo, na dia ekeny ny maha tany masina an' i Israely, ary indray mandeha ny Tanakh, ao amin' ny Bokin' i Zakaria (Zak. 2.16) no miresaka ny amin' ny Tany Masina[1] [2]. Ny hoe "Tany Masina" dia hita indroa ao amin' ireo boky deoterôkanônika, dia ao amin' ny Fahendren' i Salômôna (Fahendrena, 12.3)[3] sy ny ao amin' ny Boky faharoan' ny Makabeo (2Makabeo 1.7)[4].