Teratanin' i Amerika

Vehivavy ketsoa mibaby zaza

Ny teratanin' i Amerika na Amerindiana na Indianan' i Amerika dia vahoaka nipetraka tao Amerika talohan' ny Eorôpeana. Amin' ny fiteny anglisy dia Native Americans ny anarana omena azy ireo matetika. Avy any Eorazia ny Amerindiana ary tonga tany Amerika tamin' i Beringia taloha (mbola tsy nisy rano teo amin' ny andilan' i Bering tamin' izany fotoana izany). 12 000 taona lasa ny fifindra-monina farany. Ny Paleô-indianina dia niparitaka manerana an' i Amerika, niova ary nihabetsaka ny kolontsaina sy ny fiteny noho ny fiparitahany. Ny teny hoe Indianina dia avy amin' i Christophe Colomb, nihevitra hoe tonga tany Azia (India Atsinanana) izy nefa tany Amerika izy no nitotona, noho izany dia Indianina ny anarana nomeny ny teratany satria tamin' izany fotoana izany, mbola tsy fantatra ny fisian' ny kontinenta amerikana (izy irery ny anisan' ny voalohany niampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin' izany fotoana izany).

Nahua avy any Morelos

Betsaka ny vondrom-poko indianina mihaza sy mioty, misy maromaro ihany koa mamboly. Misy fiaraha-monina miaina amin' ny fambolena ary misy sasany hafa mamboly, mihaza ary mioty. Misy faritra any Amerika mbola ipetrahan' ny terataniny; any Meksika sy any Bôlivia izao no tena betsaka teratany indrindra any Amerika raha miresaka ara-kevitra (proportion). Ary misy fiteny teratany maro mbola be mpiteny, toy ny fiteny nahoatla, ny fiteny maia sy ny fiteny goarany. Olona amana tapitrisa no miteny ireo fiteny ireo. Misy koa teratany mbola tsy fantatra ary mbola tsy ary nahita Eorôpeanina. Misy izao ohatra teratany any Brezily (ao amin' ny faritr' i Amazônia) mbola tsy hita mihintsy.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne