Toetanin-tanibe

Faritra manana toetanin-tanibe
Taiga any Amerika Avaratra.
Fatrana any Siberia.

Ny toetanin-tanibe na toetanin-kôntinenta, amin' ny ankapobeny, dia toetany manana elanela-maripana isan-taona lehibe (mafanafana na mafana ny fahavaratra, fa mangatsiaka kosa ny ririnina). Miseho any amin' ny faritra afovoany sy atsinanana amin' ny kôntinenta telo avaratra (Amerika Avaratra sy Eorôpa ary Azia) ireo toetany ireo, matetika any amin' ny laharam-pehintany afovoany (40° ka hatramin' ny 55° na 60° avaratra), matetika ao anatin' ny tany midadasika, izay misy rivotra mitsoka an-tanety sy mitondra rotsa-drano, ary ny maripana dia tsy voafehin' ny ranomasimbe. Miseho matetika any amin' ny Ila-bolantany avaratra ny toetany kôntinentaly noho ny velaran-tany midadasika hita any. Ny ankamaroan' ny tapany avaratra-atsinanan' i Sina, ny tapany atsinanana sy atsimo-atsinanan' i Eorôpa, ny ampahany be amin' i Rosia atsimon' ny faribolan-tendrontany avaratra, ny afovoany sy ny atsimo-atsinanana amin' i Kanada, ary ny afovoany sy avaratra-atsinanana amin' i Etazonia dia manana io karazana toetany io.

Ao amin' ny toetanin-tanibe dia antonony ny habetsahan' ny rotsa-drano (orana na oram-panala), indrindra amin' ny volana mafana. Faritra vitsivitsy monja — any amin' ny tendrombohitra any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Amerika Avaratra manamorona ny Ranomasimbe Pasifika sy any Iràna, any amin' ny tapany avaratr' i Iràka, any akaikin' i Torkia, any Afganistàna, any Pakistàna, ary any Azia Afovoany — no isehoan' ny rotsa-drano be indrindra amin' ny ririnina. Milatsaka amin' ny endrika orampanala ny ampahany amin' ny rotsa-drano isan-taona, ary matetika no mijanona amin' ny tany mandritra ny iray volana mahery ny orampanala. Mety hahitana oram-baratra sy hafanana ambony matetika ny fahavaratra ao amin' ny toetany kôntinentaly; na izany aza dia somary marin-toerana kokoa noho ny ririnina ny fizaràn-taona fahavaratra. Heverina ho karazana toetany antonony ny toetanin-tanibe noho ny toerana misy azy any amin' ny faritra misy ny toetany antonony, saingy sokajina manokana tsy miaraka amin' ny toetany antony hafa izy ireo ao amin' ny fanasokajian-toetanin' i Köppen izay anondroana azy amin' ny litera D. Ao amin' ny fanasokajian-toetanin' i Trewartha izy ireo dia tondroina amin' ny alalan' ny litera roa Dc.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne