Toliara

Kaominina ambonivohitr' i Toliara
Velarantany NC
Isam-ponina 195 904 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Vita Dédé Sidson[1]
Firenena  Madagasikara
Faritany Toliara
Faritra Atsimo-Andrefana

I Toliara na Toliary dia kaominina malagasy, renivohitry ny distrikan' i Toliara I, Faritra Atsimo-Andrefana, Faritanin' i Toliara, tanàna lehibe indrindra any atsimo amin' i Madagasikara. 540 km miala an' i Fianarantsoa ary 951 km miala an' Antananarivo renivohitra, any am-piafaran' ny lalam-pirenena faha-7 no misy ity seranan-tsambo ity. Ny kaodin-kaominina dia 52099 ary ny kaodin-distrika dia 520.

Ny isan' ny mponina ao aminy dia 195 904 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2000. Tombanana ho 250 000 mahery ny mponina tao tamin' ny taona 2014. Amin' ny maha-tanàna misy seranan-tsambo azy dia toerana lehibe fanafarana sy fanondranana entana toy ny taretra, savony, tsiraka rongony, landihazo, vary ary voanjo.

  1. ASSAINISSEMENT - « La ville de Toliara est propre à 75% »

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne