Torah am-bava

Ny Torah am-bava, izay atao amin' ny teny hebreo hoe תורה שבעל פה / Torah SheBe'al Pe ("Lalàna am-bava"), dia ny foto-pampianarana sy ny tahirin-dahateny niaraka amin' ny Torah izay nampitaina am-bava tao amin' ny fivavahana jiosy, fanampin' ny תורה שבכתב / Torah she-bi-khtav ("Lalàna voasoratra"), ny Torah voasoratra, tsy afa-misaraka aminy sady efa niaraka aminy hatramin' ny nanambaràn' Andriamanitra azy tany amboalohany.

Ny Torah am-bava dia tokony tsy hivaona amin' ny endriny tamin' ny nanolorana azy tany Sinay (na Sinaia), ka noho izany dia mila mpamerimberina (hebreo: תנאים / Tannaim) izay mampita ny fampianarana izay mamerina ny teny nampitana azy hatramin' ny voalohany, nefa mivoatra ihany koa ny fivoasana azy izay tokony hifanaraka amin' ny zava-misy isan-taranaka. Noho izany dia manana heviny tsy efa isaina, izay samy nampitain' Andriamanitra amin' i Mosesy (na Môizy), ny Torah voasoratra, nefa ny vitsy amin' ireo ihany no nambara tamin' ny olombelona.

Am-bava tokoa io lovantsofina io tamboalohany, nefa taty aoriana dia nampandrina an-tsoratra amin' ny ampahany izy ireo tamin' ny taonjato voalohany ao amin' ny Midrasa (hebreo: מִדְרָשׁ / Midrash) sy ny Misna (hebreo: משנה / Mishna) ary ao amin' ny Talmoda (hebreo: תַּלְמוּד / Talmud) sy ny Fifamaliana (hebreo: שאלות ותשובות / She'elot uTeshuvot) ary ny asa soratry ny Raby taty aoriana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne