Ny Vahoaka Torkika dia fitambarana vondrom-poko maro samihafa any Azia Andrefana, any Azia Afovoany, any Azia Atsinanana, ary any Azia Avaratra ary koa any amin' ny faritra sasany any Eorôpa, izay miteny ny fiteny torkika.
Araka ny porofo am-pelantanana vao haingana momba ny fiteny sy ny fototarazo ary ny arkeôlôjia dia mametraka ny fiavian' ny Vahoaka Torkika any amin' ireo vahoaka mpamboly any avaratra-atsinanan' i Sina, any amin' ny faritra Altai-Sayan, izay nilaozany ka nankanesany mankany amin' ny faritra atsinanana amin' i Môngôlia nandritra ny taonarivo faha-7 tal. JK., izay nahatonga azy hanana fomba fiain' ny mpiandry andiam-biby fiompy, sy any amin' ny faritra avaratra sy andrefana amin' i Môngôlia, angamba any amin' ny faritra mifandray amin' ny mpiteny oralika (na oraliana), ieniseiana, môngôlika ary indô-eorôpeana. Tsy lasa mpifindrafindra monina mitaingin-tsoavaly izy ireo raha tsy tamin' ny faran' ny taonarivo faha-2 tal. J.K.
Nandritra ireo taonjato nanaraka dia lasa an' ny Vahoaka Torkika i Azia Afovoany noho ny onjam-pifindrà-monina nifandimby avy tany Môngôlia, izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. ny voalohany, notarihin' ny Hona. Ireto farany ireto dia tsy isalasalana fa nampihatra ny fiteny sy ny kolontsainy tamin' ny mponina tompotany indô-eorôpeana (toy ny Skitiana sy ny Sôgdiana ary ny Tôkariana), ka nahafahan' ny fiteny torkika hiely an-kalalalahana tao Eorazia.
Ny mpanohana ny teôria vaovaon' ilay fianakaviam-piteny, dia ny petra-kevitra momba ny fiteny transeoraziana (fiteny altaîka), dia nilaza fa ny mpiteny prôtô-torkika dia mety ho avy any atsinanana kokoa any Azia Avaratra-Atsinanana, mifandray amin' ny mponina mpamboly ampembimbazaha ao Mantsoria, saingy tsy ampy ny porofo ara-tarazo hanamafisana io teôria io.
Ny vondrom-poko torkika tamin' ny Andro Antenatenany dia nampiseho karazana endrika ara-batana sy fiavian' ny fototarazo isan-karazany, amin' ny ampahany noho ny fifampikasohana maharitra teo amin' ny vahoaka manodidina toa ny Iraniana, ny Môngôlika, ny Tôkariana, ny Ieniseiana, sy ny hafa.
Vondrom-poko maro samihafa no lasa anisan' ny Vahoaka Torkika nandritra ny tantara tamin' ny alalan' ny fiovaovan' ny fiteny, ny fiovana kolontsaina, ny famaboana tany, ny fifangaroana, ny fananganana rohim-pihavanana, ary ny fiovam-pinoana. Na izany aza, ny Vahoaka Torkika dia manana zavatra iombonanany, amin' ny lafin-javatra samihafa, mahakasika toetra tsy ara-piteny toy ny toetra ara-kolontsaina, ny razambe avy amin' ny fototarazo iraisana, ary ny zavatra niainana teo amin' ny tantara. Ny sasany amin' ny vondrom-poko torkika môderna malaza indrindra dia ny Azerbaijany (na Azery), ny Tsovasa, ny Gagaozy, ny Kazàka, ny Kirgizy, Torkmena, ny Tiorka, ny Tovàna, ny Oigora, ny Ozbeka, ary ny Iakoty.
Ankehitriny dia ireto ny fanjakana mahaleo tena azo lazaina fa firenena torkika: i Kazakstàna, i Ozbekistàna, i Azerbaijàna, i Torkia, i Kirgizistàna ary i Torkmenistàna.