Trinite

Fitsaohana ny Trinite, sary nataon' i Albrecht Dürer, taona 1511.

Ny Trinite na Trinite Masina na Andriamanitra Telo Izay Iray na Andriamanitra Miray Telo dia ilazana an' Andriamanitra izay Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina araka ny finoan' ny fiangonana kristiana sasany izay voarakitra indrindra ao amin' ny fiekem-pinoana notapahina tao amin' ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla. Ho an' ireo mino izany fampianarana izany, ny Trinite dia tsy midika hoe telo Andriamanitra. Amin' izy ireo koa dia isan’ ny atao hoe zava-miafina na mistery ny Trinite satria saro-takarina ho an’ ny sain’ olombelona. Marihina fa tsy hita ao amin' ny Baiboly ny teny hoe Trinite. Ny finoana ny Trinite dia itambaran' ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana toy ny Katôlika Rômana sy ny Ortôdôksa sy ny Prôtestanta ary ny ankamaroan' ireo Fiangonana ara-pilazantsara (evanjelika). Samy manana ny fomba fampianarany izany finoana izany anefa ireo fiangonana ireo.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne