Trondro

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka biby ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Trondro

Ny trondro dia karazana hazandrano rakotra kira, ary ny fivoy no ihetsehany ao anaty rano, biby manana hazon-damosina velona anaty rano ary miaina amin' ny alalan' ny sagoaga. Izy ireo dia efa nisy nanomboka tamin' ny tenatenan' ny Vanim-potoana Kambrianina. Manana ra mangatsiaka ny ankamaroan' ny kazaran-trondro.

Ny trondro dia "karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina. Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka"[1].

Matetika afangaron' ny olona ny hevitry ny teny hoe trondro sy hazandrano, nefa ny hoe hazandrano dia "anarana iraisan' ny biby fanjono"[2].

  1. Rajemisa-Raolison Régis, "Trondro" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Editions Ambozontany, Analamahitsy, Antananarivo, 2003
  2. "Hazandrano" ao amin' ny Voambolana malagasy-malagasy (frantsay), 1986. Service de la Logistique Pédagogique / Ministère de l'Enseignement Secondaire et de l'éducation de Base, Antananarivo.

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne