Tsovasa (vahoaka)

Vehivavy tsovasa manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Tsovasa dia vahoaka torkika, sampan' ny Ônôgora, teratany any amin' ny faritra manomboka eo amin' i Volga ka hatrany Siberia. Amin' izao fotoana izao, ny ankamaroany dia mipetraka ao Chuvashia/Tchouvachie (repoblika mizaka tena ao anatin' ny Federasiônan' i Rosia) sy ny manodidina, na dia misy vondrom-piarahamonina tsovasa aza manerana ny Federasiônan' i Rosia. Miteny tsovasa izy ireo, fiteny tiorka tsy manam-paharoa izay nisaraka tamin' ny fiteny hafa tao amin' ny fianakaviam-piteny efa mihoatra ny arivo taona lasa izay.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne