Vahoaka jermanika

Fivorian' ny governemanta jermanika (thing), araka ny sary mivohitra eo amin' ny tsangambaton' i Marko Aorelio, 193 taor. J.K.

Ny Vahoaka jermanika na Jermana (antsoina koa hoe Todeska, Soeva na Gaoty ao amin' ny literatiora tamin' ny Andro Taloha), dia vondrom-poko ara-piteny indô-eorôpeana avy any Eorôpa Avaratra, miavaka noho ny fampiasana ireo fiteny ao amin' ny sampam-piteny jermanika. Ny tantaran' izy ireo dia nanomboka tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. hatramin' izao androntsika izao.

Mety ho nanomboka niavaka ny vahoaka prôtô-jermanika nandritra ny Andron' ny Alimo Danoà (1800 tal. J.K. - 500 tal. J.K.), izay nipoitra tany amin' ny tapany atsimon' i Skandinavia taorian' ny "Kolontsain' ny seramika misy sarin-tady " (3000 tal. J.K. - 2200 tal. J.K.). Nandritra ny Andron' ny Vy faharoa (400 taor. J.K. - 800 taor. J.K.) dia nanomboka niitatra nianatsimo avy any amin' ny sisin' ny Ranomasina Baltika ny foko jermanika isan-karazany izay nahavery tombotsoa ny vahoaka seltika, izay nifangaro tamin' izy ireo na natosik' izy ireo nianatsimo sy niankandrefana. Nifandona tamin' ny an' i Rôma ny fielezan' ny Vahoaka jermanika. Ny fandresen' i Arminius tamin' ny Ady tao Teutoburg tamin' ny taona 9 taor. J.K. dia azo inoana fa nanakana ny mety ho fampandraisana ny kolontsaina rômana ny Vahoaka jermanika: izany no mahatonga io fandresena io ho kihon-dalana teo amin' ny tantaran' i Eorôpa ary na amin' ny lafiny fiteny koa aza, amin' ny tantaran' izao tontolo izao, satria anisan' ny fiteny jermanika ny fiteny anglisy.

Nanomboka tany amin' ny Ranomasina Avaratra ka hatrany amin' ny Ranomasina Mainty, ireo foko jermanika ireo dia nanorim-ponenana manerana ny sisin-tany rômanan' i Rhin sy Danube, ka ny sasany nanao fifandray akaiky tamin' ny Rômana ka niditra tamim-pilaminana tao amin' ny Empira Rômana ka lasa fœderati[1], izay matetika nanao ny asan' ny mpikarama an' ady, na mpampianatra imperialy koa aza, ary indraindray nanana toerana ambony indrindra tao amin' ny tafika rômana. Ny foko hafa kosa, izay nanana fifandraisam-pankahalana tamin' i Rôma, ka mbola tsy afaka niditra tao amin' ilay Empira, dia nanitatra ny taniny hatrany Eorôpa Atsinanana, anisan' izany ny Gepida (na Jepida)[2] izay nanjakazaka tamin' ny Dakiana (Dasiana)[3] nandray ny kolontsaina rômana, nsy ny Gôty izay nampiditra ny Karpiana[4] sy ny Iraniana mpitaingin-tsoavaly avy any amin' ny Fatrana Pôntika, ka nifehy ny morontsiraka avaratra amin' ny Ranomasina Mainty sy ny Vinanihefak' i Danube, mba hanomboka avy eo ny dia an-dranomasina ho any amin' ny Balkana sy any amin' ny Ranomasina Egea ary any Anatôlia hatrany Kiprôsy.

Ny fanitaran-tany mahery vaika nataon' ny Hona tany Eorôpa tamin' ny faran' ny taonjato faha-4 dia nisy vokany maro nifanesisesy: foko jermanika maro no nanani-bohitra tao amin' ny sisin-tanin' ny Empira Rômana ary ny fahalaon' ny tany navelany tany Eorôpa Atsinanana, vetivety,  dia lasa tombony ho an' ny Vahoaka slava fa tsy nisy tavela afa-tsy ny Empira Rômana Atsinanana; tany Eorôpa Andrefana, ny Empira Rômana Andrefana izay nihena tanjaka dia nozanahin' ireo foko jermanika izay nanangana "fanjakana barbariana" tao.

Niorim-ponenana tany Britaina Lehibe ny Angla sy ny Saksôna, ny Franka tany Galia (na Gaoly), ny Borgôndiana (na Borgônda) tao amin' ny sahan-dranon' i Rhône, ny Ôstrôgôty tany Iliria sy tany Italia, ny Visigôty tany Aquitaine sy tany Hispania, ny Soeva tany Galicia ary ny Vandala tany Afrika Avaratra sy tany amin' ireo nosy any amin' ny tapany andrefan' Mediteranea. Teo ambany fitarihan' ilay Franka atao hoe Charlemagne, izay neken' ny papa Leô III tamin' ny fomba ôfisialy ho emperoran' ny Empira Rômana Andrefana tamin' ny taona 800, ny tontolo jermanika dia lasa foibem-piforonana ho an' ny Fanjakan' i Frantsa ary indrindra ho an' ny Empira Rômana Masina Jermanika, izay naharitra hatramin' ny faran' ny taonjato faha-18, niady ny maha ara-dalàna ny lova rômana tamin' ny Empira Rômana Atsinanana izay niafara tamin' ny firodanany tamin' ny taonjato taonjato faha-15 taorian' ny famelezana avy amin' ny lafin-tany rehetra, anisan' izany ny avy any andrefana.

Avy any Skandinavia, ny tantsambo jermanika any avaratra, izay fantatra kokoa amin' ny anarana hoe Vikingy sy Varangiana (na Varega), dia nanomboka nanao fanitaran-tany goavana niterika ny fananganana ny Dokean' i Nôrmandia, ny Rosin' i Kiev ary ny fanjanahana ireo nosy britanika sy ny faritra avaratra amin' ny Ranomasimbe Atlantika hatrany Amerika Avaratra. Tamin' ny nandaozan' ny vahoaka jermanika any avaratra ny fivavahan-drazan' izy ireo (fivavahana skandinaviana) tamin' ny taonjato faha-11 dia saika niova finoana ho amin' ny katôlisisma rômana avokoa ny vahoaka jermanika rehetra, avy eo, tamin' ny Fanavaozana natombok’ i Martin Lotera tamin' ny taonjato faha-16, dia firenena jermanika maro no nandray ny prôtestantisma. Ny fisaratsarahana ara-pivavahana taorian' izay dia niteraka fisaratsarahana ara-pôlitikan' ny ampahany be amin' i Eorôpa miteny jermanika.

Ny vahoaka jermanika dia nanampy tamin' ny famolavolana ny ankamaroan' ny tantaran' i Eorôpa Andrefana nanomboka tamin' ny fizaràna voalohany amin' ny Andro Antenatenany ka hatramin' izao.

  1. Ny Foederati (teny latina) dia vondro-mponina tao amin' ny Empira Rômana izay nanao fifanarahana na fanekem-pihavanana na fanekena ho ambany fifehezany;
  2. Ny Gepida dia vahoaka jermanika ao amin' ny sampana ôstika, akaiky ny Gôty, izay nanorim-ponenana tao Vistula ambany (ony any Pôlônia), avy eo tany Eorôpa Afovoany, indrindra tao amin' ny Faritanin-drano Karpatiana (269-670) nandritra ny Andro Antenatenany.
  3. Ny Daka na Dakiana dia vahoaka jermanika nipetraka tamin' ny sahan-dranon' i  Danube ambany nandritra ny Andro Taloha.
  4. Ny Karpiana dia Dakiana na Geta niaina tamin' ny Andro Taloha tao amin' ny tanin' i Môldavia ankehitriny, ary mety ho niombona tamin' ny vahoaka keltika sy/na jermanika.

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne