Ny valala dia bibikely bibikely mpihinana ahitra, fohy tandroka, misy tongony enina, ka ny roa eo aoriana, izay ahafahany mitsambikina, dia lava kokoa noho ny efetra eo aloha. Ny valala dia mamorona zafim-pilaharana atao hoe Acrididea. Ny valala no ahitana ny ankabeazan' ny karazana ao amin' ny zana-pilaharana Caelifera. Ny fandalinana ny karazana valala dia antsoina hoe akridôlôjia.
Ny valala be mpahafantatra dia ireo ao amin' ny fianakaviana Acrididae. Ny karazam-balala sasany dia heverina ho bibikely mpanimba; indrindra fa ny valala mandeha amin' andiany dia mety hiteraka fanimbana tena lehibe aty Afrika sy any Azia ary indraindray any amin' ny faritra atsimo amin' i Eorôpa. Amin' ny ankapobeny, ny karazam-balala afaka manao andiany dia mandeha mitsitonkatokana, saingy amin' ny toe-javatra sasany dia mihabetsaka izy ireo ary manova ny toetrany sy ny fahazarany ka mety handeha miaraka ary afaka mandeha lavitra sy mihinana ny zavamaniry dia sendra azy sy ny fambolen' ny olona. Misy valala manana endrika mifanakaiky amin' ny an' ny "valala mpivahiny" ny any Amerika ekoatôrialy nefa tsy manapotika zavamaniry be any izy ireo.
Ny Orthoptera Species File dia mitanisa ireto fianakaviambe manaraka ireto: ny ankamaran' ny fianakaviana sy ny karazana dia ao amin' ny Acridoidea. Tsy aseho eto ireo efa lany tamingana.
Tsy tokony hafangaro ireto teny manaraka ireto: Acridoidea (zana-pilaharana), Acrididae (fianakaviana), Acridinae (zana-pianakaviana), Acridini (foko), Acrida (vondron-karazana ahitana karazana miisa 40 any ho any).