Vinanihefak' i Nily

Vinanihefak' i Nily

Ny Vinanihefak' i Neily na Vinanihefak' i Nily na Vinanin' i Neily na Vinanin' i Nily dia faritr' i Ejipta izay ivarinan' ny ony Nily (na Neily) mankany amin' ny Ranomasina Mediteranea. Faritra behonahona izay efa nanan-karena zava-maniry sy biby hatramin' ny Andro Taloha. Efa ho 5 000 taona lasa izay, faritra fambolena ny Vinanihefak' i Nily. Ny ankamaroan' ny taratasy papiro ejiptiana dia avy amin' ity faritra ity. Ankehitriny dia misy mponina 55 000 000 any ho any ny ao.

Antsoina hoe دلتا النيل‎ / Delta an-Nīl na الدلتا, ad-Delta izy amin' ny teny arabo.

Any avaratr' i Ejipta no misy ny Vinanihefak' i Nily ary manomboka ao avaratry ny tanànan' i Kairo (na Kahira), 150 km eo ho eo miala ny morontsirak' i Mediteranea, eo amin' ny toerana antsoin' ny Ejipsiana hoe Batn el-Baqara ("Kibon' ny Omby"). I Nily, aorian' ny fikorianana efa ho 6 600 km, dia misampana maro. Ny velarany dia manodidina ny 24 000 km2, izay mahatonga azy ho voalohany amn' ny vinanihefaka ao amin' ny Ranomasina Mediteranea, alohan' ny Vinanihefak' i Rhône .

Toerana stratejika ho an' ny fambolena ny Vinanihefak' i Nily, izay efa nanaovana fitantanan-drano hatramin' ny Andro Taloha, hisorohana ny tondra-drano be loatra sy hamerana ny loza ateraky ny fidiran' ny sira, amin'ny alàlan' ny tany nohadina fandraisana ny rano izay nantsoin' ny Ejipsiana fahiny hoe Hod.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne