Zanak' i Israely

I Israely tao Egipta,  sary nataon' i Edward Poynter,  1867

Ny Zanak' i Israely na Zanak' Isiraely dia ny Hebreo taranak' i Jakôba nonina tany Egipta avy eo nifindra tany Kanaana. Israely no iantsoana an’ i Jakôba taorian’ ny nitolomany tamin’ ny anjely iray.

Ny teny hoe “zanak' i Israely” (hebreo: בני ישראל / B'neï Yisraēl) dia iray amin' ny anarana ao amin' ny Torah izay iantsoana matetika indrindra ny Israelita, izany hoe ny taranak' i Jakôba patriarka, izay nomena anarana hoe Israely (izay midika hoe "Niady teo anilany Andriamanitra", araka ny Baiboly). Antsoina hoe Hebreo koa izy ireo. Ao amin' ny Testamenta Taloha indrindraindrindra no ahitana io andian-teny hoe Zanak' i Israely io. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia mety hanondro ny Kristiana io andian-teny io. Tsy voatery hitovy ny dikan' ny hoe Zanak' i Israely, Israelita, Hebreo ary Jiosy (na Jody) arakaraka ny lahatsoratra ahitana azy ireo.

Tsy tokony afangaro ny andian-teny hoe "Zanak' i Israely" sy ny hoe "Israeliana"”: ny hoe Isiraely ao amin' ny andian-teny faharoa dia manondro fanjakana môderna, niorina tamin' ny taona 1948, izay Isiraeliana ny olom-pireneny fa tsy Isiraelita. Na dia naorin' ny Jiosy ho fanjakana jiosy aza i Israely dia tsy Jiosy daholo ny olom-pireneny — Mozilmana ny sasany, ny hafa Kristiana, Bodista na Ateista, eny fa na dia Agnôstika sy Teista aza — ary mandrafitra ny 25 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena. Fanampin' izany, na dia Jiosy maro aza no mahatsapa fa tena mifandray akaiky amin' ity firenena ity amin' ny maha Tany Masina azy, dia tsy olom-pirenen' io firenena io izy ireo.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne